airtel

Fandriampahalemana

01-juil-2025

Filaminana sy fandriampahalemana

Miha zava-doza ny zava-misy eto Madagasikara…

Sample post image

Miha zava-doza hatrany ny naoty sy toeran’i Madagasikara amin’ny

01-juil-2025

filaharana eran-tany samihafa. Nihemotra indray ihany koa ny filaharana ao anatin’ny GPI (Global Peace Index) 2025 na ny tondro momba ny filaminana sy fandriampahalemana eran-tany, navoakan’ny Institute for Economics & Peace. Firenena 163 no nanaovana fanadihadiana. Nihemotra toerana i Madagasikara, ka raha laharana faha-44 tamin’ny 2024, dia nidina ho faha-59 amin’ity taona ity, miaraka amin'ny naoty 1,895. Midika izany fa mihalemy sy mihisatra ny toe-draharaha anatiny eto amin'ny firenena amin'ny sehatra maro, miha osa ny fitoniana anatiny, miha malemy ny demokratika,…. Tsy vitsy ny hetsika sy fanehoan-kevitra mitsikera ny fitondrana amin’ny lafiny tsy fisian’ny mangarahara, tsy fanajana ny fahalalahana miteny, sy ny fanelingelenana ireo mpanohitra. Fampitandremana, fandrahonana, fanagadrana,… no betsaka. Ny vahoaka mandry andriran’antsy tsy tena misy mpiahy. Mitombo koa ny fahantrana, ny tsy fananan’asa, ary ny tsy fisian’ny fandraisana andraikitra haingana manoloana ny olana ara-pahasalamana sy sosialy. Tsy afa-miala amin’ny krizy maneran-tany i Madagasikara, saingy mbola ambony lavitra noho ny tokony ho izy ny taha-pahasarotana eo amin’ny fiveloman’ny mponina sy ny tsy fitoviana ara-tsosialy. Eo anatrehan’ny fitotonganan’ny fahatokisan’ny vahoaka amin’ny rafitra politika sy ny ady amin’ny kolikoly, dia mitaratra ao amin’ity fanondroana GPI ity ny fikorontanan'ny toe-draharaha anatiny. Raha jerena ny firenena afrikanina hafa toy ny Maorisy (toerana faha-26), Botswana (43) na Namibia (50) izay mitombo hatrany ny naotiny, i Madagasikara kosa dia mijanona ho ao anatin’ny fikorontanana politika lava, tsy mahasintona mpampiasa vola sy mametra ny fivoaran’ny sehatra maro. Midika izany rehetra izany fa mila fanitsiana sy fandraisana andraikitra hentitra avy amin’ny fitondrana mba hanarenana ny fahapotehana ara-politika sy ara-tsosialy, ary hisorohana ny fidinana lalindalina kokoa amin'ny taona manaraka saingy maharototra ny mpitondra ve izany ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

07-mai-2026

tompon'ny Hotel Jardin de la mer

Card image cap
06-mai-2026

maty notifirin’ny zandary, mitroatra ny vahoaka…

Card image cap
06-mai-2026

faty nisy namono tao an-tokantranony

Card image cap
06-mai-2026

Voasambotry ny Polisy teny Ampasampito

Card image cap