airtel

Fandriampahalemana

22-sept-2022

Fandriampahalemana

Fisandohana ho mpitandro filaminana Voasambotra i « Zo Bôdika », efa gadra lava

Sample post image

Noho ny angom-baovao azo avy amin'ny olona tsara sitrapo sy ny paik'adin'ireo zandary miasa ao amin'ny compagnie Tana Ville,

22-sept-2022

dia voasambotra afak’omaly Talata 20 septambra 2022 tokony ho tamin'ny 03 ora tolakandro, teny Anosy Atoa Elisantienne Zo Tianirainy na i "ZO BODIKA". Malaza amin’ny fisandohana anarana sy andraikitra ho zandary sy polisy ny tovolahy. Toraka izany ny fampiasana karatra zandary hosoka. Mbola tafiditra ao anatin’ny fikambanana andian-jiolahy ihany koa izy, ny fitazonana fitaovam-piadiana mahery vaika tsy nahazoana alalana (pistolet automatique marque bacane) ary ny fivarotana basy Marihana moa fa teo am-pikasana hivarotra basy Pistolet Automatique izy no izao voasambotra izao. Mbola sahy nanambara ihany ny lehilahy nandritra izany fa zandary miasa ao amin’ny Toby Ratsimandrava ny tenany saingy fantatra fa tena zandary sandoka rehefa nohamarinina ny mombamomba azy. Efa mpamerin-keloka moa ny lehilahy. Efa avy nigadra 15 taona tao amin’ny fonjan'ny Tsiafahy nohon'ny fanafihana mitam-.piadiana ihany koa izy.
Nangonin’i
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny

Card image cap
21-mai-2025

Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

Card image cap
20-mai-2025

Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very

Card image cap
20-mai-2025

Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,

Card image cap
20-mai-2025

Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,

Card image cap