Tsikaritry ny Polisy miasa ao amin‘ny "service centrale de la surveillance du territoire“ na ST Anosy fa misy olona manana sy mitazona fitaovam-piadiana mahery vaika eny an-toerana. Natao ny vela-pandrika sy ny fanaraha-maso, napetraka ny tetikady, naseho azy ilay vola hividianana ny basy ka noraisim-potsiny sy sarona tao amin‘ny trano fonenany ny lehilahy iray 54 taona, niaraka tamin’ny basy SKS TP 90 sy bala miisa 05. Fantatra fa saika hamidy 4500.000Ar ilay basy. Noentina teny amin’ny biraon’ny Polisy avy hatrany moa ny tenany. Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana ny namany roa hafa izay mpiara-mivarotra aminy ity fitaovam-piadiana ity. Vosambotra teny Tongarivo Tanjombato sy Anosimasina Itaosy ireto farany ny 06 septambra teo. Fantatra fa isan’ireo mpandray anjara sy mpanao fanafihana mitam-piadiana ary tafiditra ao anaty fikambanan-jiolahy izay miseho eto an-drenivohitra sy ny manodidina izy ireo. Efa mpameri-keloka,efa nisazy ary nivoaka ny fonja vao haingana noho ny resaka fanafihana mitam-piadiana. Natolotra ny Sampana miady amin’ny heloka bevava Anosy izy ireo taorian’izany ka rehefa nohenoin’ny fampanoavana dia naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora.
Pati
Legende : Ireto izy telolahy be ati-doha !
Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny
Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.
Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very
Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,
Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,