airtel

Fandriampahalemana

22-juin-2026

Gogogogo -

Ampanihy Andrefana Lehilahy varira 45 taona, nisy nanapa-doha

Sample post image

Miverina miaina tsy fandriampahalemana

22-juin-2026

indray ireo olona manana toe-tena varira, raha mba niaina kely taorian'ny fampidirana am-ponja ao Tsiafahy ireo voarohirohy tamin'ny fakana zaza varira tao Toliara herinandro vitsy lasa izay. Araka ny fampitam-baovao nataon'i Soja Fulgence, filohan'ny fikambanana Albinos Madagascar dia lehilahy varira, 45 taona, antsoina hoe : Evaholongo no nisy nanapa-doha tao amin'ny Fokontany Ankilimasy Amboragnabo Kaominina Gogogogo Distrika Ampanihy Andrefana tamin'ny farany herinandro lasa teo. Voaporofo araka izany fa tsy zaza varira ihany no kendren'ireo tsy matahotody fa ny olondehibe ihany koa. Etsy ankilany mbola tsy hita hatramin'izao ilay zaza varira 9 volana tao Betroka. Mahatsapa ny fikambanana, hoy i Soja Fulgence, fa misy ny fitanilana amin'ny fikarakarana ireo tranga fanampahan-doha izay niseo sesilanty tatoato. Mitaky arak'izany ny fikambanana Albinos Madagascar mba hampitovizana ny fanapahan-kevitra sy ny sazy tamin'ireo tranga nisy tao Marovoay sy Mampikony tahaka ny natao tany Toliara.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

03-sept-2026

Mitotaly 16 tapitrisa Ariary no lasan’ireo olon-dratsy

Card image cap
03-sept-2026

Lasa ny 20 tapitrisa Ar sady naratra

Card image cap
02-sept-2026

Vita fitsirihana sy azon’ny fianankaviana nalaina ny razana

Card image cap
02-sept-2026

fiara nitondra rongony ! »

Card image cap
02-sept-2026

nalaina an-keriny, hita faty

Card image cap