airtel

Fandriampahalemana

22-avril-2026

Halatr'omby tsongonofotra

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

Sample post image

Nisy namoaka an-tsokosoko tao am-bala

22-avril-2026

ny omby iray tamin'ireo dimy ao Ambositra Fokontany Andranotsimihozo Kaominina Talata Volonondry ny 11 aprily vao maraina. Hita tany amin'ny 10 km niala ny toerana nisian'ny halatra ny omby saingy efa taolana sy ny lohany sisa tavela, rehefa nataon'ny Fokonolona sy ny Zandary ny fanarahan-dia. Tsikaritr'izy ireo nandritra izany fa misy lehilahy telo tokony ho isan'ny mpanaradia kanefa tsy tonga, ka nipetrahan'ny ahiahy. Talohan'ny nahitana ny taolana ihany koa dia tsikaritra nivoaka avy any anaty ala misy ny hena ireo alikan'izy telolahy tsy hita tabilao. 10 km anefa ny elanelan'ny taolan-kena sy ny trano fonenany. Teo no ho eo dia natao ny fangatahana hisavana ny tranon'izy ireo ary nomen'ny Fitsarana alalana. Nahitana fitaovana samihafa entina hamonoana omby sy hitetehana hena ary pataloha mihosin-dra tao an-tranon'izy ireo. Taorian'ny nitondrana azy ireo 'anoloana ny Fampanoavana dia notanana am-ponja eny Avaradrano izy telolahy miandry didim-pitsarana.
Nangonin'i Jean D.
Tsy nahaaro azy telo lahy ireo ody gasy marobe tratra tany amin'izy ireo
 

Dans la même rubrique

24-avril-2026

Polisim-pirenena izy enin-dahy

Card image cap
23-avril-2026

Mamono olona hatrany ny moto

Card image cap