Saron'ny zandary teo am-pikasana hitatitra azy ny ranona goudron 19 barika.Olona miisa 4 no voasambotra tao Tsarahonenana Andriba vokatr'izany.Tao anatin’ny toby fiasan’ny orinasa sinoa SINOHYDRO, izay miandraikitra ny fanamboarana sy fikojakojana ny lalam-pirenena faha-efatra no nangalarana ireto goudron 19 barika ireto ny 22 febroary lasa teo.Tao amin’ny fokontany Tsarahonenana, kaominina ambanivohitra Andriba, distrikan’i Maevatanana no misy ilay toby. Vantany vao naharay fampandrenesana ny zandary avy amin'ny vondron-tobim-paritra Maevatanana dia nandefa mpitandro ny filaminana avy hatrany notarihin’ny GP1C Merçan Sytevi, lefitry ny kaomandin'ny zana-tobim-paritry ny zandary Andriba. Tamin’io andro io ihany, tokony ho tamin’ny 08 ora maraina, dia tratra tao amin’ny toerana tsy lavitra teo ny kamiao kely iray nitondra barika feno "goudron" , milanja 185 Kg isany, mitontaly 3.515 kilao. An’ny orinasa SINOHYDRO ireo entana ireo.Olona efatra hita tao anatin’ilay fiara no nosamborina avy hatrany.Momba ireo voarohirohy Nandritra ny fanadihadiana natao teny an-toerana dia nanondro olona iray mpiara-miasa aminy ao amin’ilay orinasa ireo voasambotra. Voatonona tamin’izany ny lehilahy iray, izay voalaza fa nampiasa ny fahalalany ny rafitra sy ny fahalemena ara-piarovana tao amin’ilay toby mba hanamorana ny halatra. Araka ny vaovao farany, mbola nitsoaka ity farany ary karohin’ny mpitandro filaminana ary mitohy ny fanadihadiana.Marihina fa tetikasan'ny fanjakana vatsian’ny banky iraisam-pirenena vola ny asa fanamboaran-dalana mandeha amin'ny RN4 ankehitriny.
Pati Légende : Ireto ry zalahy tratra !
Taorian'ny fampitam-baovao nataon'ny