airtel

Fandriampahalemana

08-avril-2024

IMERINTSIATOSIKA

Toeram-pivarotana 3 voatafika, lasa ny vola 1.040.000 Ar

Sample post image

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana ao Imerintsiatosika.

08-avril-2024

Toeram-pivarotana miisa 03 no indray notafihan’ny jiolahy15 lahy, izay nitondra basy ny Sabotsy 06 Aprily teo tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany alina. Basy nirefodrefotra ny nidiran’ireo tsy mataho-tody ny tananan’i Soavinarivo, Fokontany Fiantsonana, kaominina Imerintsiatosika, distrikan'Arivonimamo nampitahorana ireo mponina. Voaroba avokoa ireo toeram-pivarotana ireo vokatr’izany raha olona miisa 2 kosa no naratra. Vola mitentina 01 tapitrisa Ar mahery no lasa tao amin'ilay fivarotana voalohany miampy kojakoja maro toy ny finday, radio, ilay faharoa kosa nahazoany vola 40 000 Ariary miampy enta-madinika maro toy ny siramamy, menaka, zavam-pisotro, convertisseur, vatoaratra, sns...Ilay fivarotana fahatelo ihany koa mbola lasibatra saingy vory haingana ny fokonolonka lasa nitsoaka ireo mpanao ratsy. Narian’izy ireo teny an-dalana moa ny entana sasany rehefa nifanehitra tamin’ny zandary izy ireo. Mbola tsy nisy ny voasambotra hoy ny vaovao. Mbola nilaza ny hiverina moa ireo jiolahy hany ka mihorohoro fatratra ny mponina.
Pati
Legende : Tsy milamina ny fandriampahalemana eto Imerintsiatosika !

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap
14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap