sarona saika haka fitaovana tao anaty fiarakodia ny 02 Desambra lasa teo teny Ambohimamory Itaosy. Tratra tao anaty fiara ny iray raha tafaporitsaka ny namany. Mbola nitohy ny 03 Desambra lasa teo izany. Nisy olona nikasa hamaky ny tokantrano iray tao Bemasoandro Itaosy. Tsikaritry ny tompontrano izany ka niantso ny zandary izy ireo ary tonga avy hatrany ireto farany sy ny fokonolona. Voasambotra ny iray nandritra izany raha tafatsoaka ny ambiny. Mitohy ary tsara ny fifandraisan'ny fokonolona, ny mponina sy ny zandarimaria eny Atsimondrano. Mifampiantso sy mifanome vaovao haingana sy ara-potoana hatrany izy ireo ho famongorana ny tsy fandriampahalemana. Pati
Légende : Ireto izy roalahy tratra !
Taorian'ny fampitam-baovao nataon'ny