lasa teo raha ny Alahady 27 Jolay izy no voasambotra. Tafaporitsaka kosa ny namany iray. Raha tsiahivina kely ny tantara dia tratra tao amin'ny tokantranon'olona iray teny Alakamisy Fenoarivo ity jiolahy ity rehefa lasa nivavaka ny tompon-trano. Ny mpifanolo-bodirindrina amin'ireto farany no niantso ny zandary. Voasambotra ny anaolahy ka tratra teny aminy ny lela-vola mitentina 6.430.000 Ar, ny firavaka volamena sy volafotsy, décodeur, ny solosaina, poketra...Nandritra ny fotoana nitazonana azy teny amin'ny biraon'ny Zandary dia nitady ny fomba rehetra hivoahana matetika ao anatin'ny toeram-pitazonana ny anaolahy toy ny filazana fa miakatra ny tosi-drany, ny diabetany .... Rehefa nozahan'ny mpitsabo anefa izy dia fantatra fa salama tsara, tsy misy ahiana. Ny alin'ny 28 jolay teo tokony ho tamin'ny 09 ora dia nitaraina mafy tamin'ny mpiandry raharaha indray ny tenany fa marary mafy azy ny kibony ka mila hahafaty azy mihitsy. Vao nisokatra anefa ny varavarana dia diky efa nomaniny no natorany ny tavan'ilay Zandary. Noezahiny nosintonina ihany koa ny fitaovam-piadiana fa tsy azony, fihetsika narahiny fitsoahana. Tsy lasa lavitra ny birao akory anefa ny anaolahy dia voafehy ka tsy maintsy nampiasa ny fitaovana teny ampelan-tanany ny Zandary. Namoy ny ainy vokatry ny fahaverezan-dra be loatra ilay jiolahy noho izany. Fantatra moa fa efa indroa voasambotra ny anaolahy noho ny resaka vaky trano tamin'ny taona 2024. Efa voarohirohy tamin'ny fakana olona an-keriny ihany koa izy. Tsy mitondra kara-panondrom-pirenena amin'ny fotoana hanaovany ny asa ratsiny, antony hanovany matetika ny anarany.
Pati
Légende : Ity ilay ranamana fony fahavelony !
Taorian'ny fampitam-baovao nataon'ny