airtel

Fandriampahalemana

14-avril-2026

MAHAJANGA

Tambajotra mpangalatra moto iray sarona

Sample post image

Tambajotra iray mpangalatra moto no

14-avril-2026

fantatra fa ravan'ny mpitandro ny filaminana tao Mahajanga. Ny 30 Martsa teo raha tsiahivina dia naharay fitarainana momba ny halatra moto scooter iray nitranga ny alin’ny 29 Martsa tao Tsararano Ambony ny Kaopisaria foibe ao Mahajanga. Ny 08 Aprily teo no voasambotra ny lehilahy iray tompon'antoka tamin’ilay halatra rehefa nampiasa ny fahaiza-manaony sy nanao ny fikarohana ny Polisy. Niampy lehilahy roa hafa ireo voasambotra ny 09 Aprily teo, izay mpandrava sy mpitahiry ireo kojakoja amin'ny kodiarandroa rehefa voarava. Nentina tao amin’ny Kaomisaria Foibe ao Mahajanga ireo voasambotra rehetra ho fanohizana ny fanadihadiana.
Pati
Légende : Ireto izy telolahy fangoloka !
 

Dans la même rubrique

22-juil-2026

21 mianadahy no fantatra fa nalefa

Card image cap
21-juil-2026

tanana amin'ny fanjakana ny RALI

Card image cap