airtel

Fandriampahalemana

05-avril-2024

Jiolahy nanafika tao Morafeno

Jiolahy 6 matin’ny zandary

Sample post image

Ny 3 aprily 2024 teo, tokony tamin’ny 1 ora tolakandro no nampandre ny zandary ao amin'ny «Poste fixe»

05-avril-2024

Morafeno ny Kartie mobily Mamoeramanjaka, Kaominina Morafeno fa nisy jiolahy miisa 7, vehivavy ny iray, tonga nanafika tokantrano iray, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Nandrahona hamono sy nandratra ny renim-pianakaviana tao an-trano ireo jiolahy ary nitaky an'ilay volabe ao an-trano. Lasa ny 6 tapitrisa Ariary, finday miisa 3, tablety iray ka nandositra niantsinanana izy ireo. Avy hatrany dia niaraka nihetsika daholo ireo zandary manodidina. PF Morafeno anankiroa, nampiana zandary miisa 4 izay mpiandry raharaha sy vonjy taitra nanidy kizo ny toby manodidina. Nihetsika koa ireo fokontany rehetra manodidina hanakana ny lalan-kombany. Tao Mahadonga, fokontany ao ihany, kaominina Arivonimamo II dia nanambana fitaovam-piadiana ireo olon-dratsy saingy tsy nihemotra ny fokonolona fa niray hina ka matin'izy ireo ny roalahy. Voasambotra kosa ilay vehivavy. Tafatsoaka ny 4 saingy nifanehitra tamin'ny zandary tao Sambaikarivo, fokontany Morafeno. Nitifitra ireo zandary ireo jiolahy ka namaly ny zandary. Lavon'ny balan'ny zandary avokoa izy rehetra. Mitotaly 6 ny dahalo maty raha velona kosa ny jiovavy iray izay fantatra fa monina ao Iavoloha Andoharanofotsy, distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Tafaverina amin'ny tompony avokoa ny vola very rehetra sy ireo finday. Basy poleta iray sy bala efa niasa ary ireo fitaovam-piadiana nampiasaina no azo. Nalevin'ny fokonolona ny andron'iny ihany ireo razana miisa 6. Ny tobim-paritry ny zandarimaria Arivonimamo eo ambany fanaraha-mason'ny kapiteny kaomandin'ny vondron-tobim-paritra Arivonimamo no misahana ny fanadihadiana. Isaorana ireo fokonolona izay tena miray hina manampy ny zandarimaria amin'ny famongorana ny mpanao ratsy, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray omaly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap
14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap