fantatra ny fisiana fahaverezana fitaovana sy entana lafo vidy tao amin’ny JIRAMA Mandroseza. Nandray fepetra maika ny manam-pahefana, nisy ny fijerena ifotony nataon’ireo olona ambony isan-tsokajiny ny faran’ny herinandro teo. Voasambotra teny an-toerana ny mpamily sy ny fiara nitondra ny entana very, araka ny fampitam-baovao ofisialy. Nisy ampahany amin’ireo fitaovana efa hita taorian’ny fanadihadiana nataon’ny tompon’andraikitra, ary efa misy olona voasambotra mifandraika amin’ity raharaha ity. Mitohy hatrany ny fikarohana sy ny fanadihadiana mba hahatrarana ireo rehetra tafiditra amin’ity asa ratsy ity. Nampitandrina ny manampahefana fa fananana iombonana ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana ampiasaina amin’ny famatsiana rano, ka tsy maintsy arovana sy hajaina satria tombontsoan’ny vahoaka no iankinany. Navoaka ihany koa ny hafatra ho an’ny rehetra: tsy mividy fitaovana ahiahiana ho avy amin’ny halatra, tsy mandray na mitahiry fananana fantatra fa halatra, ary tsy mivarotra na manaparitaka izany. Izay tratra manao izany dia mety ho voasaringotra amin’ny raharaha ara-pitsarana henjana. Niaraka nidina teny Mandroseza moa ny Minisitry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana, Razafindrianiaiana Minosoa Anjaratiana Elia, niaraka tamin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoran’Afo, Rabearimanga Radonirina Lucas, ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena Bama Marima, ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika Itibar Ottman, ary ny Tale Jeneralin’ny JIRAMA, Jeneraly Rasolomanana Hajatiana. Tsy vao sambany ny afera goavana mikasika ny angovo sy rano, raha tsy afatsy ny hoe : 734 tapitrisa ariary ny fatiantoka voarakitra tao amin’ny Jirama teo anelanelan’ny taona 2020 sy 2023, vokatry ny trafika sy ny elanelana teo amin’ny habetsahan’ny solika novidiana sy nalefa, araka ny tatitry ny Fitsarana momba ny Kaonty. Nisy fuel-oil 124 726 litatra sy gasoil 47 985 litatra tsy voazava, ary hita ihany koa ny tsy fahatomombanana tamin’ny fandraisana an-tsoratra sy ny fanaraha-maso ny tahiry,...
Toky r