airtel

Fandriampahalemana

03-juin-2026

KAOMININA AMBOHIDRAPETO

Ho hentitra ny fitandroana

Sample post image

ny filaminana manomboka izao

03-juin-2026

Ho hentitra ny fitandroana ny filaminana manomboka izao ho an'ny kaominina Ambohidrapeto, distrikan'Antananarivo Atsimondrano. Nentanina hifanome vaovao avokoa ny mpiray tanana mba hanavahana ny vary amin'ny tsiparifary, indrindra amin'izao ankatoky ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 Jona izao. Tamin'ny alalan'ireo sefom-pokontany sy kartie mobila no nanatanterahana izany. Ho an'ireo mikarakara na manomana fety mihoatra ny amin'ny 09 ora alina dia tsy maintsy maka fahazoan-dalana eny amin'ny Fokontany sy ny kaominina izy ireny. Matetika mantsy hoy ny Benny tanana Atoa Mihary dia any anatin'ireny fety ireny no hiafenan'ireo jiolahy sy jiovavy. Farany izay tsy kely akory dia ny asa fahadiovana. Hisy ny asa hatao manerana ireo Fokontany miisa 5. Samy manao ny azy ny tsirairay hoy hatrany ny Ben'ny tanana saingy hifanomezan'ny zandarimariam-pirenena, ny Fokontany, ny tompon'andraikitry ny fampianarana,... ny lalana iraisana.Nosokafana afak'omaly Alatsinainy 01 Jina ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 Jona ho an'ny kaominina Ambohidrapeto.
Pati
Légende : Taorian'ny fananganan-tsaina no nanomezana ny toro-marika rehetra !
 

Dans la même rubrique

03-sept-2026

Mitotaly 16 tapitrisa Ariary no lasan’ireo olon-dratsy

Card image cap
03-sept-2026

Lasa ny 20 tapitrisa Ar sady naratra

Card image cap
02-sept-2026

Vita fitsirihana sy azon’ny fianankaviana nalaina ny razana

Card image cap
02-sept-2026

fiara nitondra rongony ! »

Card image cap
02-sept-2026

nalaina an-keriny, hita faty

Card image cap