airtel

Fandriampahalemana

12-déc-2023

Kidnapping » any Ankazobe

8 no mbola tadiavina, hihetsika ny EMMO-NAT

Sample post image

Nanamafy ny Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena Jeneraly Andry Rakotondrazaka

12-déc-2023

izay nidina ifotony tany Ankazobe nitarika ireo Lehiben’ny EMMO-NAT ny faran’ny herinandro teo, fa tena nirongatra izay tsy izy ny tsy fandriampahalemana any amin’iny distrika iny sy ny manodidina, indrindra fa ny resaka fakana an-keriny olona, izay tsapa fa tena maro dia maro ary tsy mitsahatra mitombo, hoy izy. Efa nisy ny « opération » fa tsy maintsy hapetraka ny fandriampahalemana maharitra, ka nidina ifotony ireo lehiben’ny fibaikoana nahitana ny Kaomandin’ny ZDS Ikopa, ny CIRGN Antananarivo. Nomarihiny fa mety misy tokoa fidirana na firaisan’ny solontenam-panjakana ao anatin’io fakana an-keriny io, ka efa manomboka ny famotorana, efa mandeha ny fampandrian-tany,… Misy anjaran’ny fokonolona ihany koa ao anatin’ny tsy fandriampahalemana. Olona 8 hatreto no voalaza fa mbola any an-tanan’ny mpaka an-keriny, ka naneho fa hiezaka ny hahazoana azy ireo velon’aina ny mpitandro ny filaminana, ary niantso ny vahoaka hifanome tànana hatrany. Isan’ny somary mampananosarotra ny fifandraisany amin’ny lafin-tany satria Ankazobe izao eo anilany Ambohidratrimo, Betsiboka, Maevatanana,… ka amin’ireny matetika no làlan’ireo mpanao ratsy izay malalaka sy midadasika ilay toerana raha mijery ny saritany. Misy ihany koa ny ranon’i Betsiboka izay ahafahan’ireo dahalo milalao ny fandosirana. Efa mipetraka ihany koa anefa ny paikady hiatrehana izany, raha ny tatitry ny mpitandro filaminana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny

Card image cap
21-mai-2025

Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

Card image cap
20-mai-2025

Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very

Card image cap
20-mai-2025

Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,

Card image cap
20-mai-2025

Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,

Card image cap