airtel

Fandriampahalemana

15-janv-2024

Kidnapping » mirongatra any Belo Tsiribihina

Mikatona avokoa ireo sekoly manomboka anio

Sample post image

Mikatona avokoa ny sekoly rehetra ao Belo Tsiribihiana manomboka anio Mikatona

15-janv-2024

avokoa manomboka anio Alatsinainy 15 Janoary 2024 ireo sekoly miankina tsy miankina amin’ny fanjakana rehetra manerana ny distrikan’i Belo Tsiribihiana. Noho ny firongatry ny fakana an-keriny olona no voalaza fa anton’izany, fanapahan-kevitra hihatra mandritra ny fotoana tsy voafetra. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nitrangana fakana an-keriny mpianatra mianadahy tany amin’ity distrika ity ny Sabotsy 13 Janoary nifoha omaly Alahady 14 Janoary. Mpianatra mianadahy kely 9 taona sy 13 taona no lasibatra tamin’izany ary rsy mbola nahazoam-baovao ny momba azy ireo hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Ankoatra izay dia mbola mandrahona ny mbola haka an-keriny mpampianatra ihany koa ireo jiolahy. Very fanahy mbola velona ireo mponina noho izany. Diso mahazo vahana loatra hoy izy ireo ny halatr'omby sy halatr'olona ka izao efa tonga hatrany amin’ny fanosihosena ny hasin'ny fanabeazana izao mihitsy. Andrasana araka izany izay mety ho tohin’ny fanapahan-kevitra raisin’ny Fitondram-panjakana manoloana izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Tsy hisy hianatra aloha ireo mpianatra eto Belo Tsiribihiana manomboka anio !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap
14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap