Olona tsara sitrapo no nanome vaovao ny polisy izay nilaza fa misy andian-jiolahy mpaka an-keriny milafika ao amin'ny fokontanin'Amparamanina. Avy dia nandray ny andraikiny ireto hery vonjy taitran'ny polisy rehefa nahazo alalana avy amin'ny DRSP Alaotra Mangoro ka raikitra ny fikarohana. Tao amin'ny fokontanin'i Mahakary no nifanehatra ny roa tonta raha nitifitra avy hatrany ireo jiolahy ka namaly ny polisy. Jiolahy iray no lavo tokony ho tamin’ny 02 ora maraina raha nisy iray hafa voasambotra ary nisy kosa ireo tafaporitsaka. Noho ny fitsinjovana ny ain'ireo polisy amin'ny haizin-kitroka sy ny tifitra vary raraka hataon'ireo jiolahy noho izany dia tsy afaka nanara-dia intsony izy ireo. Taorian'ny fanadihadiana natao dia fantatra fa lehiben'ireo jiolahy ity lavon'ny polisy ity izay efa nokarohana mafy noho ny asa fampihorohoroana sy fakana an-keriny any amin'ny distrikan’Amparafaravola iny. Ilay voasambotra kosa dia zanak'ity farany ihany, tovolahy vao 21 taona monina ao amin'ny kaominina ambanivohitra Morarano Chrome. Voatazona ao amin'ny kaomisarian'Amparafaravola izy ary mitohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo namany.
Pati
Legende : Ireto izy mianaka mpaka an-keriny ao Amparafaravola efa nosarahin-drafahafatesana
Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny
Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.
Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very
Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,
Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,