hoe Razafimahatratra Zafiniavo Niharintsoa Nadhy, no tsy hita popoka nanomboka ny 11 Mey 2026 maraina, teo anelanelan’ny 03 ora sy 05 ora sy sasany. Tsy hita tao amin’ny tranon’ny bebeany tao Masinandriana, Fokontany sy Kaominina Mahitsy, Distrikan’Ambohidratrimo. Tamin’ny voalohany dia noheverin’ny fianakaviana ho tsy fahitana tsotra, saingy taty aoriana dia niseho fa fakana an-keriny na « kidnapping » no niseho. Ny rainy, Razafimahatratra Zafiniavo Jean de Dieu, dia nahazo antso mitaky vola ho takalon’ny famerenana azy ka nanao fitoriana tamin’ny 13 Mey. Nanomboka teo, nandray andraikitra ny Zandary tao Mahitsy. Ny 16 Mey, hita soa aman-tsara tao Vontovorona ilay zaza, mbola salama tsara. Fantatra fa Ratovoniaina Jean Marie, antsoina hoe “TOVO”, izay efa nifandray tamin’ny fianakaviana, no tompon’antoka tamin’ny fakana azy. Voasambotra ny 17 mey ny vadin’i TOVO sy olona roa mpivarotra karatra SIM nampiasainy, voarohirohy tamin’ny fanampiana sy fanomezana fitaovana. TOVO kosa, rehefa notadiavina tany Ambohidratrimo, dia nanohitra sy nitsoaka. Nampiasa fitaovam-piadiana ny Zandary ka naratra mafy izy ary namoy ny ainy ny alin’ny 17 Mey tao Ampanataovana Avaratra. Efa eny amin’ny morgue CHD Mahitsy ny razana. Hatramin’izao, miisa 11 ireo olona voasambotra, voarohirohy amin’ity raharaha ity, anisan’izany ny vadin’i TOVO sy ireo mpivarotra SIM. Hatolotra ny Fampanoavana izy ireo aorian’ny famotorana.
Toky R