airtel

Fandriampahalemana

15-févr-2024

LAKATO MORAMANGA

7 lahy nanafika mpandraharaha, nahatrarana basy vita gasy sy rongony

Sample post image

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana any amin’ny distrikan’i Moramanga.

15-févr-2024

Ny alin'ny 12 Febroary lasa teo raha araka ny vaovao azo dia naharay antso ny avy eo anivon'ny zandarimaria Moramanga fa misy andian'olona nanafika tao amin’ny Fokontany Ambodigavo kaominina ambanivohitr'i Lakato saingy tsy nahazo n'inona n'inona izy ireo. Nifindra tao Ampasinambo indray ireo dahalo taorian’izany ka nandroba tokantranona mpandraharaha iray.Raha vao naheno izany ny avy eo anivon'ny vondron-tobiparitry ny Zandarimaria Moramanga dia nanetsika ireo ekipany ka tra-tehaka tany amin'ny PK 28 amin'iny lalana Anosibe an'Ala iny ny 7 mirahalahy ary ny andron'io ihany koa dia tratra ny mpaniraka sy mpanafatra ireto dahalo ireto. Nanamafy ny fanentanana ny fokonolona eny anivon'ny kaominina tsirairay mandrafitra ny Distrikan'i Moramanga kosa ny Lehiben'ny Distrika Atoa Rakotoniaina Eddy Marco amin'ny fanomezana loharanom-baovao an'ireo mpitandro ny filaminana. Basy 2 niaraka tamin'ny bala maromaro no tratra niaraka tamin'ireto dahalo ireto miampy ireo zavatra voaroba.Nisy ihany koa vola sandoka maromaro sy rongony tratra niaraka tamin'izy ireo. Efa ao anatin'ny fanadihadiana ny eo anivon'ny Zandarimaria raha efa natolotra ny fitsarana omaly kosa ireo olon-dratsy.
Pati
Legende : Ireto izy fitolahy tratra !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap
14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap