airtel

Fandriampahalemana

27-déc-2022

Fandriampahalemana

Lalam-baovao Rocade d’Iarivo Efa-dahy nandrahon’ olona tamin’ny basy sy sabatra

Sample post image

Lehilahy miisa efatra no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny kaomisaria foibe ao Tsaralalana alin’ny 24 desambra

27-déc-2022

teo tokony ho tamin’ny 08 ora sasany alina teny amin’ny Rocade d’Iarivo rehefa nandrahona olona tamin’ny basy sy sabatra no sady nanendaka. Olona roa avy namonjy sasak’alina tao amin’ny Père Pedro hamonjy fodiana no nosakanan’ireo olon-dratsy teny an-dalana teny amin’iny Rocade d’Iarivo iny. Nambanan’ireto olon-dratsy tamin’ny basy sy antsy lava na sabatra izy roa, avy eo nasainy namoaka izay rehetra tany aminy ka vola sy finday miisa roa no lasan’ireto jiolahy. Nasain’ireto olon-dratsy nandeha izy roa rehefa azony izay nilainy ka nolazainy fa tsy mahazo mitoditodika raha tsy izany hotifirina amin’ny basy. Rehefa lasa aloha kely ireto niharam-boina dia nifanena tamina Polisy nanao fisafoana ka nilaza ny zavatra nanjo azy. Tsy niandry ela ny Polisy fa avy hatrany dia nanenjika sy nanara-dia ireto jiolahy ireto. Raikitra ny fifanenjehana ka voasambotra avokoa izy efa-dahy. Rehefa nosavaina teny amin’izy ireo dia tsy hita teny intsony ilay basy fa ny antsy lava no tra-tehaka teny amin’izy ireo. Noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy izy ireo nanaovana fanadihadiana. Marihina fa 17 taona no zandriny indrindra amin’izy ireo raha 23 taona no zokiny indrindra. Natolotra ny omaly izy efa-dahy ka efa naiditra am-ponja vonjimaika.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny

Card image cap
21-mai-2025

Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

Card image cap
20-mai-2025

Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very

Card image cap
20-mai-2025

Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,

Card image cap
20-mai-2025

Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,

Card image cap