airtel

Fandriampahalemana

26-janv-2024

MACOTEX BEHENJY ITAOSY

Vinanto sy rafozana tafaraka samy jiolahy tratra

Sample post image

May ny tanety rehefa ny olona mpihavana na mpinamana no samy jiolahy.

26-janv-2024

Tsy misy mahamenatra sy atahorana intsony mantsy fa mandeha avokoa izay asa ratsy hatao rehetra. Tsy misy hafa amin’izany ireto vinantolahy sy rafozandahy tratra teny amin’ny Macotex Behenjy Itaosy Atsimondrano ireto. Raha araka ny fantatra dia πš–πš™πš’πšπš˜πš›πš˜πš”πšŠ πš›πš˜πš—πšπš˜πš—πš’ πš–πšŠπšŸπšŽπšœπšŠπšπš›πšŠ(π‘Ÿπ‘œΜ‚π‘Ÿπ‘œΜ‚), πš–πš™πšŠπš—πšŽπš—πšπšŠπš”πšŠ , πš–πš™πšŠπš—πšπšŠπš›πš˜-πš™πšŠπš˜πšœπš’ ary πš–πš™πšŠπš—πšπšŠπš•πšŠπšπš›πšŠ πš–πš’πšπšŠπš–-πš™πš’πšŠπšπš’πšŠπš—πšŠ eny amin’iny faritra iny izy ireo. Samy antsoina hoe : Rasta izy mianaka ireo ary efa tena mankaleo ny mponina mihitsy. Nampita ny vaovao tamin’ny fomba miafina tany amin’ny mpitandro ny filaminana araka izany ny mponin’Itaosy ka noraofim-potsiny teo am-panaovana ny asa ratsiny izy mianaka ireto. Nahitana puce miisa 85 mifangaro tao an-tranony ka an’ny orinasam-pifandraisana Telma ny 41 isa. An’ny orinasam-pifandraisana Orange kosa ny 09 raha an’ny Airtel ny 35 ambiny. Ny 15 tamin’ireto farany no fantatra fa mbola mandeha. Mbola niampy vilany kely roa fitanehana rongony mavesatra na Rôrô ireo puce ireo. Hatolotra ny fitsarana rahampitso Zoma izy mianaka mpivinanto sy rafozana ireto.
Pati
Legende : Ireto izy mianaka vinanto sy rafozana samy jiolahy !

 

Dans la mΓͺme rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap
14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap