Mpivavaka handeha hivavaka maraina sy mpiantsena no fantatra fa nahita an'io faty io voalohany ka nampandre ny Fokontany akaiky teo. Rehefa nidina nijery ifotony ny razana ny tompon’andraikitra dia fantatra fa teo amin'ny tananan’Itompokolahy no nisy nofo niala . Ohatra ny nokapaina izany koa ny tongony raha nahitana ratra toy ny novelesina tamin’ny bois rond koa ny lamosiny. Nisy vehivavy nilaza ho vadiny moa hoy hatrany ny vaovao tazana teny an-toerana saingy tsy nanantona fa lasa nitomany fotsiny. Tombanana ho olon-tiany araka izany ity farany. Manodidina ny 40 taona mahery eo ho eo moa io lehilahy hita faty io. Tsiahivina fa anisan’ny faritra tena mamay amin’ny tsy fandriampahalemana ny eny Madera Namontana.
Pati
Legende : Anisan’ny faritra tena atahorana ny ety Madera Namontana na amin’ny andro atoandro aza !
Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny
Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.
Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very
Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,
Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,