airtel

Fandriampahalemana

06-mai-2026

Mafana ny toe-draharaha

ao Ambanja Tovolahy iray

Sample post image

maty notifirin’ny zandary, mitroatra ny vahoaka…

06-mai-2026

Mafampana ny toe-draharaha ao Ambanja nanomboka omaly maraina noho ny fahafatesana tovolahy iray izay voalaza fa maty notifirin’ny zandary. Nosamborina tamina raharaha mifandraika amin’ny basy very izy io, saingy ny ainy no nanefa. Sosotra ny vahoaka, ka niazo ny tobin’ny zandary nitaky fanazavana ny antony nitifirana azy. « Mpiasako ny rain’io tovolahy maty io, ary niresaka fa hoe nosamborin’ny zandary ny zanany », hoy ny Assistant parlementaire iray izay nilaza fa tsy manan-tsiny ity tovolahy ity. Niazo ny zandary io « assistant parlementaire » io saingy tsy navela, ary rehefa niezaka nandresy lahatra dia afaka niresaka. Nambarany fa rehefa niresaka izy miralahay mianaka, dia nilaza ilay tovolahy fa tsy mahafantatra akory ny zavatra itazonana azy, terena amin’ny raharaha basy izay tsy hainy ! « Terena hiteny fa izaho no nanao azy, kanefa tsy fantatro », hoy ny resaka nifanaovany tamin’ilay assistant parlementaire raha ny tatitra ambangovangony, izay nanamarika fa mbola tsy nisy famotorana nandeha, ary mbola nifatotra menôty ilay tovolahy. Nangataka hiatrika ny famotorana ity farany ny maraina, saingy ny fahenoana fa maty ilay zanaky ny mpiasany no nitsena azy. « Raha nambara fa nilefa dia nisy menôty tamin’ny tanany, ka ahoana ny hahafany milefa ? Voatifitra ny tratrany kanefa olona mitsoaka tokony ho avy any aoriana », hoy izy nanizingizina, fa tsy manan-tsiny io lehilahy maty io. Nanaitra ny manam-pahefana ny tenany, ary nilaza fa hampiakatra ny raharaha izy ireo mba tsy hiverenan’ny tahaka izao. Mbola nafana ny raharaha omaly takariva satria nolanjain’ireo vahoaka niazo ny biraon’ny distrika ny razana, ka takian’izy ireo ny hamoahana hoe iza ny zandary nitifitra azy. Andaniny, mbola tsy azo ny fanazavana avy amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny manam-pahefana hatramin’ny fotoana nanoratana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

06-mai-2026

faty nisy namono tao an-tokantranony

Card image cap
06-mai-2026

Voasambotry ny Polisy teny Ampasampito

Card image cap
05-mai-2026

ny filazana fa misy gadra ampijaliana !»

Card image cap