tia tanindrazana

Parution du Lundi, 27 Mars 2023

airtel

Fandriampahalemana

Mahanoro 4 lahy tratra niaraka tamin’ny taolam-paty 50kg

Lehilahy miisa 04 no voasambotra tany amin’ny distrikan’i Mahanoro ny Talata 24 janoary teo rehefa nanondrana sy nitondra taolam-paty tany an-toerana.

26-janv-2023

Sample post image

Nahazo fanampim-baovao mari-pototra ny polisim-pirenena tao amin’ity distrika iray ity mahakasika ny fisian’ny halatra taolam-paty sy ny fivezivezen'izany any an-toerana . Araka izany dia nohamafisina ny fisafoana ny fiara na ny lakana ary ny olona mifamezivezy tany an-toerana . Vokany, tratra tamin’ny talata teo teny amin’ny toby fiantson-dakana tao Mahanoro izy ireo tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany. Hafahafa fihetsika izy efa-dahy ireto ka tsikaritry ny polisy. Milanja gony feno zavatra izy ireo tamin'izany. Vao nahita azy ireo ny mpitandro ny filaminana teo an-tseranana dia nisava azy ireo. Nikoropaka ireto olon-dratsy ka vaky nandositra ny roa tamin’izy ireo ary ny roa hafa kosa, izay tompon’antoka amin’ity fanondranana taolam-paty ity dia voasambotra teo no eo ihany . Rehefa nosavaina ny gony teny amin’izy roalahy voasambotra ireto dia nahitana : taolan-dava iray gony izay milanja 50 kilao sy tavoahangy misy ody gasy iray. Tsy nijanona hatreo anefa ny polisim-pirenena fa mbola nizaha ireo olona roa hafa tafatsoaka tamin'io fotoana io .Nitohy ny fikarohana ka tokony ho tamin’ny 11 ora alina dia tratra ihany koa tsy lavitra ny seranan-tsambo ireto roalahy tafatsoaka ireto . Araka ny fanadihadiana natao tamin’izy ireo dia ny roa no tena tompon’antoka sy nitondra ireto taolam-paty ireto ary ny roa hafa kosa dia mpanera. Mitohy ny fanadihadiana hataon’ny Polisy mahakasika ity raharaha ity.
Pati Legende : Ireto izy efa-dahy sy ilay gony nitondrany taolam-paty !
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Asan-dahalo sy vono olona Lavon’ny balan’ny zandary i Iarisy
27-mars-2023

Maty ilay dahalo raindahiny antsoina hoe IARISY na Randrianarisoa Elysé, araka ny fampitam-baovaon’ny

Card image cap
Ambolitara Itaosy Tratra ilay rangahy mpivarotra sy mpamboly rongony
27-mars-2023

Mirongatra ny fivarotana sy fifohana zava-mahadomelina eny Itaosy sy ny manodidina. Tsy hanavahana sokajin-taona intsony ireo mandray izany no sady tsy hanavahana toerana intsony ihany koa ny hifohany izany.

Card image cap
Arivonimamo Alain’ny jiolahy hatramin’ny trondro eny an-tanimbary
24-mars-2023

Mahatratra 18.000 Ar ka hatramin’ny 20.000 Ar amin’izao ny iray kilao amin’ny trondro eny an-tsena izany hoe : lafo noho ny hena.

Card image cap
Fisolokiana eny amin’ny cash point Nahazoana 5 tapitrisa Ar nananganana épicerie
24-mars-2023

Olona miisa telo, vehivavy ny roa 39 sy 21 taona, ary lehilahy 22 taona no nosamborin'ny Polisy misahana ny ady heloka bevava sakelika voalohany Anosy ny 21 martsa teo teny Ambondrona rehefa nisoloky.

Voir plus