airtel

Fandriampahalemana

07-mai-2026

MANANJARY

Maty nisy nanapa-doha ny

Sample post image

tompon'ny Hotel Jardin de la mer

07-mai-2026

Vehivavy iray manodidina ny 60 taona antsoina hoe LAURENCE Roseline izay tompon’ny Hotel Jardin de la Mer ao Ambinagny, distrikan'i Mananjary no hita faty tamin’ny fomba mahatsiravina omaly Alarobia 06 Mey maraina. Tapaka ny lohany ary mbola tsy hita hatramin'ny fotoana nanoratanay ka ny mpanampy izay tonga hiasa vao maraina no nahita azy efa nitsirara teo an-davarangana araka ny fanazavana. Fantatra ihany koa fa vehivavy tia mipetraka irery izy nandritra ny taona maro ary efa maty ny vadiny. Efa tonga tao an-toerana hatramin'ny omaly maraina ny mpitandro filaminana nanao fanadihadiana mikasika ity vono olona ity. Andrasana izay mety ho tohin'ny raharaha. Tsiahivina fa vao herinandro maromaro ihany koa izay no nisy olona maty notapahan-doha tany amin'ny distrikan'Ikongo. Nangonin'i
Pati
Légende : Ilay faty hita efa tsy nisy lohany intsony !
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

ho mpandray ny fanasan'i Tompo

Card image cap
05-juin-2026

sady novonoin'ny sipany

Card image cap
04-juin-2026

Efa ho 80 ny tranga, 30 mahery maty tamin’ny fomba feno habibiana

Card image cap
04-juin-2026

Paikady hataon'ny sasany tsy hahamari-toerana ny fanjakana io

Card image cap