ho tamin’ny 02 ora sy sasany maraina no nitrangan’izany hoy ny vaovao. May vokatr’izany avokoa ireo hazo rehetra tao amin’ity ivon-toerana ity izay tombanana hatrany amin’ny 20 tapitrisa Ar mahery. Raha araka ny loharanom-baovao azo moa dia tafo bozaka ity toerana misy ny masinin-kazo ao Mandritsara ity. Sotasotan’olon-tsy fantatra no tombanana ho nahatonga ny loza raha araka ny vaovao hatrany. Mba tsy nihitatra tamin’ny manodidina moa ny afo noho ny fahamailoan’ireo mponina. Tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy.
Pati
Legende : Tahaka izao no fidedaky ny afo !
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey
Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy