airtel

Fandriampahalemana

17-mars-2026

MASOIVOHON’I SINA ENY NANISANA

Olona 5 no voasambotra rehefa nikasa hangalatra

Sample post image

Nisy nikasa hanafika ny Masoivohon'i Sina eny Nanisana.

17-mars-2026

Ny alin’ny zoma 13 Martsa teo tokony ho tamin’ny 11 ora alina raha tsiahivina no nisy dimy lahy nikasa hiditra an-tsokosoko tao amin’ny faritry ny Masoivohon’i Chine eny Nanisana. Toy ny nangarom-biby an-davaka ihany anefa ry zalahy ireto satria maro ny mpiambina ilay toerana izay nampandre ny Polisin’ny CSP8 Analamahitsy haingana. Vetivety dia tonga teny an-toerana ny Polisy ary niezaka nandositra ireo jiolahy ka nisy tokoa ny tafaporitsaka ary nisy ny voasambotra. Taorian’ny fikaroahana nataon'ny Polisim-pirenena dia fantatra ny toerana nisy ireo naman'ilay voasambotra voalohany. Ny Sabotsy 14 Martsa teo tamin’ny 05 ora maraina no tratra tao Ivandry avokoa izy efa-dahy ambiny. Noentina tao amin’ny biraon’ny Polisy komisaria CSP8 Analamahitsy izy ireo natao famotorana mialohan’ny hanolorana azy ireo eny amin'iny Fampanoavana anio Talata 17 Martsa.
Pati
Légende : Ireto izy dimilahy nangarom-biby an-davaka !


 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

ho mpandray ny fanasan'i Tompo

Card image cap
05-juin-2026

sady novonoin'ny sipany

Card image cap
04-juin-2026

Efa ho 80 ny tranga, 30 mahery maty tamin’ny fomba feno habibiana

Card image cap
04-juin-2026

Paikady hataon'ny sasany tsy hahamari-toerana ny fanjakana io

Card image cap