airtel

Fandriampahalemana

06-mars-2024

Minisitry ny mponina

Mangataka mba i Dawilly no hovosirina voalohany

Sample post image

Nozairina ny fivavian’i Harenakely ilay zazavavy kely vao 6 taona

06-mars-2024

monja naolan’i Dawilly, reseveran’ny taxibe G teny Imerintsiatosika ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny fanazavan’ny Ministry ny mponina Rtoa Fomendraza Haingo Nambinina tamin’ny mpanao gazety omaly mantsy dia rovitra hatrany amin’ny fitombenan’ity zaza ity mihitsy, hany ka tena mahatsiaro mangirifiry ilay tsy manan-tsiny amin’ny fitsaboana azy. Mangataka ny hisantarana ilay famosirana an’i Dawilly, izay tafiditra ao anatin’ny lalana vaovao hamaizana ireo mpanolana araka izany ity Ministra ity, fiantsoana izay miantefa mivantana amin’ny Filoham-pirenena mivady sy ny Ministry ny Fitsarana. Tena mafy hoy izy ny nanjo ny filoham-pirenena mivady nahare ity tranga ity raha tsy lazaina intsony ireo mpiray tanindrazana. Tsiahivina moa fa mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha i Harena kely, izay zaza efa kamboty Ray.
Pati
Legende : Miantso ny hamosirana an’ity lehilahy nanolana an’i Harena ity voalohany ny Ministry ny mponina !

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap
14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap