airtel

Fandriampahalemana

29-déc-2023

MORONDAVA

Tanana roa indray voatafika, olona iray namoy ny ainy

Sample post image

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana any amin’ny distrikan’i Morondava, Faritra Menabe.

29-déc-2023

Renim-pianakaviana iray no voatifitra nandritra ny fanafihan-dahalo tao Antsiraraka kartie faharoa afak’omaly Alarobia alina nifoha omaly Alakamisy tokony ho tamin'ny 11 ora.Omby moa no saika halain' ireo tsy mataho-tody kinanjo izao nitifitr'olona izao izy ireo rehefa tsy nahita izany. Efa nahazo fitsaboana ao amin'ny hopitaly Betelan’i Morondava ilay renim-pianakaviana. Fanafihan-dahalo hafa ihany koa no nitranga tao Antsiraraka kartie fahadimy tamin'io afak’omaly alina io ihany izay nahafatesana tompon'omby iray.Tafavoakan'ny vala ireo omby saingy niparitaka ka tsy voafehin'ireo dahalo. Vaky nandositra ireto farany noho izany rehefa nanao antso vonjy ny fokonolona. Miantso ny amin’ny tokony hijeren’ny fanjakana ny fandriampahalemana any an-toerana noho izany ireo mponina fa efa tena mihatra aman’aina hatrany izy ity.
Pati
Legende : Ity ilay Renim-pianakaviana lasibatra !

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap
14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap