airtel

Fandriampahalemana

06-mai-2026

MPAMAKY FIARA MIANTSONA

AMORON-DALANA

Sample post image

Voasambotry ny Polisy teny Ampasampito

06-mai-2026

Lehilahy iray mpamaky fiara miantsona amoron-dalana no tratra ambodiomby nangalatra tao anaty fiara teny amin’ny parking iray akaikin’ny “23” eny Ampasampito ny Alatsinainy 04 Mey teo tokony ho tamin’ny 03 ora folakandro. Nanararaotra ny tsy naha teo ny tompon’ny fiara izy ka nanokatra an-keriny izany mba hangalatra ny entana tao anatiny. Efa navoakany tao anatin'ilay fiara ireo entana ary nafeniny tao anaty tany teny ivelany. Nisy nahatsikaritra anefa izany ka nampilaza haingana ny Polisin’ny Fifamoivoizana niasa manodidina teny an-toerana izy ireo. Nentina avy hatrany tany amin’ny Kaomisaria CSP3 Antaninandro ny anaolahy nanaovana fanadihadiana mialohan'ny hanolorana azy eo anivon'ny Fampanoavana anio Alarobia 06 May. Tsiahivina fa ankoatra ny eny Ampasampito dia Faritra mamay ahitana mpamaky fiara tena hénjana ihany koa ny eny Ampefiloha sy Andavamamba. Fiaran'olona maro no efa lasibatra teny an-toerana.
Pati
Légende : Tsy maintsy hanohy ny fiainany any am-ponja ilay ranamana ity !
 

Dans la même rubrique

21-août-2026

Voasambotra tany Manakara

Card image cap
21-août-2026

Razana miisa 8 no lasan'ireo jiolahy

Card image cap
21-août-2026

namonoana Raim-pianakaviana

Card image cap
21-août-2026

Tovolahy iray 26 taona no nosamborin'ny

Card image cap
20-août-2026

Tovolahy mpila ravinahitra avy

Card image cap