airtel

Fandriampahalemana

05-mars-2024

MPAMAKY TRANO AO TOAMASINA

Efa mian-dahy miam-bavy mihitsy

Sample post image

Efa mian-dahy miam-bavy mihitsy amin’izao ireo mpamaky trano

05-mars-2024

sy mpanao afera maloto ao Toamasina. Tsy hay intsony na mpifankatia izy ireny na mpivady fa tena mahay miara-miasa tokoa. Voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ ny Fitaleavam - paritry ny Filaminam - bahoaka DRSP Atsinanana tao amin’ny faritra hiandraiketany ny lehilahy iray 26 taona sy vehivavy iray 42 taona ny 03 Martsa teo rehefa namaky tranon’olona. Ny 01 Martsa teo tokony ho tamin’ ny 05 ora maraina raha tsiahivina dia nisehoana halatra miaro vaky trano tao amin’ny tokantrano iray tao Ampanalana parcelle 14/11 tao Toamasina. Lasan’ ireo mpanao asa ratsy nandritra izany ny kojakojan’entana sy ny vorona tao an- trano. Taorian’ny fitarainana nataon’ny tompon- trano, nikaroka ireo tsy mataha - tody ny Polisy. Anisan’izany ireo mpandray entana sy ny mpandray anjara mivantana. Fantatra ny toerana misy azy ireo sy ny trano fonenany ka nosamborina avy hatrany izy. Fantatra fa fa mpameri - keloka moa ity lehilahy ity, ilay vehivavy kosa mpandray ny entana halatra entiny.Nandritra ny fisavana ny trano fonenany, mbola nahitana solosaina enti-tanana halatra sy chargeur ary “Toaka Gasy “ 15 l natao tao anaty bidon teny aminy. Natolotra ny Polisin’ny SRPJ (Service Regional de la Police Judiciaire )Atsinanana izy ireo nanohizana raha anio Talata kosa no hiakatra fampanoavana.
Pati
Legende : Ireto izy roa tratra !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap
14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap