airtel

Fandriampahalemana

04-mai-2026

Mpanao volo eny Ambohipanja

Nisy nanondraka asidra

Sample post image

Ny harivan’ny zoma teo,

04-mai-2026

raha ny fampitàm-baovao voaray, andro vao amin’ny 6 ora sasany hariva, no nitrangàna fanondrahana asidra nataona mpisotasota teny amin’iny faritr’Ambohipanja iny. Mpivady avy niasa, niaraka teny ambony kodiaran-droa na moto, no nitrangàn’ity habibiana ity, hoy ny fanazavàna. Notondrahan’olona iray ny asidra ilay renim-pianakaviana teny ambony moto. Tsy nisy hoe entana na vola na fitaovana sarobidy nalain’ilay olon-dratsy teny aminy fa dia asoparana tsotra izao fotsiny no nitranga. Nifanenjehina ity mpanao ratsy ity saingy tsy hita izay nalehany. Mpanao volo eo Ambohipanja ity ramatoa lasibatra ity. Manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly CHU-JRA izy amin’izao fotoana izao, raha ny fampitàm-baovao voaray farany hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-août-2026

Voasambotra tany Manakara

Card image cap
21-août-2026

Razana miisa 8 no lasan'ireo jiolahy

Card image cap
21-août-2026

namonoana Raim-pianakaviana

Card image cap
21-août-2026

Tovolahy iray 26 taona no nosamborin'ny

Card image cap
20-août-2026

Tovolahy mpila ravinahitra avy

Card image cap