ny harivan’ny alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny 6 ora, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly. Teo akaikin’ny Concorde Mahabibokely no nitrangàn’izany. Mpanendaka telo lahy no voalaza fa nanendaka firavaka volamena ana mpandalo ka nifanenjehan'ny fokonolona. Roa tamin’ireo jiolahy no latsaka tao an-gambone na tao anaty lavapiringan’ny tokantrano iray nandritry ny fiezahana hitsoaka sy hiafina, hoy ny fanazavàna, ka noraisim-potsiny. Tonga teny an-toerana ny polisin’ny UIR nandray an-tanana ny raharaha, raha mbola karohina kosa ilay iray tafaporitsaka, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija
Taorian'ny fampitam-baovao nataon'ny