airtel

Fandriampahalemana

24-oct-2025

MPIANATRA MISOTRO SY MIDOROKA

19 no indray nosamborina tao Fianarantsoa

Sample post image

Andian- jatovo miisa 19 avy amin'ny sekolim- panjakana

24-oct-2025

miandahy sy miambavy, 16 ka hatramin'ny 18 taona no tratran'ny Polisin'ny kaomisaria foibe ao Ampasambazaha ( BFP - UIR) afak'omaly Alarobia 22 Oktobra tokony tamin'ny 10 ora tao ambadikin'ny Espace Andry Tsianolondroa. Ankoatra ireo mampiaraka dia nisy ireo tratra teo am- pisotroana " toaka" , ka avy hatrany dia noentina tany amin'ny kaomisaria foibe. Nanarina sy natsoina ny Ray aman-dRen'izy irel ny sy tompon'andraikitra avy amin'ny sekoly nianarany. Fantatra moa fa 1 amin'izy ireo ihany no ampy taona fa ny 17 ambiny dia kilasy famaranana avokoa. Fantatra moa fa efa nisy ny fanentanana sy fampahafantarana natao tamin'ireo mpivarotra toaka sy zava-mahadomelina ao Fianarantsoa mba samy hitandrina izay tsy maintsy ho tonga amin'ny fanasaziana sy fisamborana ihany.
Pati
Légende : Ireo andian-jatovo tratra !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2026

afaka manao tik tok

Card image cap
22-oct-2026

Voasambotra tany Ilakaka i Kelindaty

Card image cap
22-oct-2026

Natsipin’ny jiolahy teny amin’ny arabe,

Card image cap
22-oct-2026

Telolahy nidoboka am-ponja ao Tolagnaro

Card image cap