airtel

Fandriampahalemana

04-déc-2025

MPISANDOKA HO

MPITANDRO NY FILAMINANA

Sample post image

Efatra mianadahy nadoboka eny Antanimora

04-déc-2025

Voasambotry ny Polisy misahana ny heloka bevava Anosy ny tambazotra iray mpanao ratsy izay nisandoka ho mpitandro filaminana. Ny fomba fanaony dia manatitra taratasy fiantsoana sandoka amin’olona izay efa fantatr’izy ireo mialoha izy 4 mianadahy. Vantany vao mahazo ilay taratasy sandoka ho fiantsoana ilay lasibatra dia misy olona iray hafa milaza fa mahafantatra manam-pahefàna ka afaka « mandamina ny raharaha » ary mitaky vola be ho takalon’izany. Ankoatra izay efa voa dia olona roa samy hafa no nametraka fitoriana amin’ity raharaha ity teny amin’ny BC Anosy. Nanao ny fanadihadiana sy fikaroham-baovao ary nametraka vela-pandrika ny Polisin’ny BC ka olona efatra, vehivavy ny iray, izay samy nandray anjara tamin’ity raharaha maloto ity no voasambotra nanomboka ny 25 ka hatramin’ny 29 Novambra lasa teo.Taorian’ny fiakaran’izy ireo Fampanoavana ny 01 Desambra teo dia nidoboka am-ponja teny Antanimora avokoa izy efatra.
Pati
Légende : Ireto izy 4 mianadahy sarona !
 

Dans la même rubrique

25-août-2026

fiarahamonina manontolo izao!"

Card image cap
24-août-2026

Avotra soa aman-tsara i Sandratriniaina,

Card image cap
24-août-2026

Mitantara ireo efa lasibatra

Card image cap
24-août-2026

Nisehoana tranga mampalahelo heverina

Card image cap