airtel

Fandriampahalemana

26-mars-2025

MPISOLOKY MANGATAKA « CODE M-VOLA »

Mahavita mandany fahana, mampiasa teknika hafa indray

Sample post image

Mirongatra ny mpisoloky noho ny hasarotan’ny fiainana.

26-mars-2025

Taorian’ny famitahana olona lazaina fa nahazo volabe avy atsy amin’ny orinasa zatsy na zaroa noho ny fisarihana natao dia miantso mivantana mihitsy indray izy ireo ankehitriny. Mahavita mandany fahana hatrany amin’ny 1.000 Ar raha kely handresena lahatra olona ka lehilahy no manao ilay asa ratsy. Mitonona ho mpiasan’ny orinasam-pifandraisana Yas izy mandritra izany ary miarahaba anao amin’ny anaranao feno mihitsy. Milaza izy aorian’izay fa mahazo bonus ilay olona antsoina ka asainy mitady finday hafa mba hiantsoany raha ilay finday niantsoany voalohany kosa no hampidirana ireo karazana tarehimarika nambarany fa hahafahana mamoaka ilay bonus, izay volabe tokoa. Ny tanjony amin’ilay tarehimarika betsaka hampidirina ao anatin’ilay finday anefa dia ny mba hahazoana ilay code Mvola. Tsy hanontaniany mivantana io fa haolankolany. Ohatra ny manao fandraikiraikena izy mandritra izany koa raha vantany vao azony amin’ny fomba hafa ilay code dia fantany daholo ny resa-bola rehetra ao anatin’ny findainao. Vantany vao misy Mvola milatsaka noho izany ao anaty kaontinao dia azony alaina. Raha misy vola ihany koa ao anatiny dia efa azony…Ho ana Renim-pianakaviana iray tratra ity fisolokiana ity dia tsy nisy vola tao anaty findainy. Nananan’ny Yas trosa ihany koa izy ka niato teo ilay mpisoloky izay tsy sahy niverina niantso intsony. Na izany aza bloquer ny kaonty Mvolany noho ilay code efa nosoloin’ilay mpisoloky ihany koa.
Pati
Legende : Diso be loatra ireo mpisoloky amin’ny alalan’ny finday amin’izao ka ilana fitandremana !

 

Dans la même rubrique

29-avril-2025

Vaky trano teny Ivandry, vaky trano tetsy Tsiadana Lehilahy iray 33 taona

Card image cap
29-avril-2025

Ao anatin'ny fanadihadiana ny polisim-pirenena na borigady misahana

Card image cap
29-avril-2025

Tena efa mivadika ho biby ny olombelona ankehitriny.

Card image cap