airtel

Fandriampahalemana

12-mars-2025

Mpividy volamena irery tao an-trano

Maty voafirafiran’ny antsy

Sample post image

Mpividy volamena iray avy any amin'ny kaominina Maheriraty Farafangana fa

12-mars-2025

mipetraka ao amin'ny fokontany Marotoko, kaominina Bevoay, no maty notafihan'ny jiolahy ny alin'ny alahady hifoha alatsinainy, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Ny tena mampalahelo dia izy irery no tao an-tranony, hoy ny fanazavàna. Ny vadiny lasa namonjy faty tany amin'ny toerana atao hoe Sogotoloha, ny harivan'ny alahady. Ny zazavavy mpanampy koa tsy matory ao an-trano fa kilasy mody. Nojeren'ilay mpanampy, mbola tsy nifoha ihany ny mpampiasa azy. Efa amin'ny 10 ora maraina. Niditra tao amin'ilay efitra fatorian'ny mpampiasa na «patron» izy, hay efa faty nitsirara no teo ambony fandriana. Voafirafira zava-maranitra ny razana, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique