airtel

Fandriampahalemana

04-mai-2026

Namono mpampiasa

sy nangalatra fiara 4x4

Sample post image

Voasambotra tany Toamasina ilay lehilahy

04-mai-2026

Voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Commissariat Central Toamasina teny akaikin'ny Hopitaly Kely, Boulevard de la Liberté ilay lehilahy nitifitra ny mpampiasa azy teny Ambihibao Antehiroka ny alin'ny 02 May lasa teo. Fiaraha-miasa tamin'ny olon-tsotra tsara sitrapo no nahazoana ny vokatra. Efa namoahan'ny Zandary tao Talatamaty filazàna fampikarohana moa izy noho ny vono olona sy halatra ary izao voasambotra soa aman-tsara izao. Rehefa nofotorana izy dia nilaza ny toerana nanafenany ilay basin'ny mpampiasa azy nanaovany ilay heloka bevava ka hita ihany koa io fitaovam-piadiana io. Nafenina tao anaty trano kely teny Ambalakisoa, akaikin’ny pont Verrerie izany. Rehefa mitoetra ny fifampatokisana eo amin'ny vahoaka sy ny Polisim-pirenena dia mihena ny trangana tsy fandriam-pahalemana ary betsaka ny olon-dratsy tratra. Amporisihina hatrany ny fitorohana mba hampahomby ny fametrahana filaminana maharitra hoy izy ireo.
Pati
Légende : Tratra ihany ilay ranamana ity rehefa avy namono olona sy nangala-bola !
 

Dans la même rubrique

21-août-2026

Voasambotra tany Manakara

Card image cap
21-août-2026

Razana miisa 8 no lasan'ireo jiolahy

Card image cap
21-août-2026

namonoana Raim-pianakaviana

Card image cap
21-août-2026

Tovolahy iray 26 taona no nosamborin'ny

Card image cap
20-août-2026

Tovolahy mpila ravinahitra avy

Card image cap