airtel

Fandriampahalemana

20-nov-2025

NANAFIKA «CASH POINT» TAO TOLIARA

Lehilahy iray tratra niaraka tamin’ny basy sy bala

Sample post image

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana ny

20-nov-2025

18 Novambra teo tokony ho tamin’ny 6 ora hariva tao Toliara. Vehivavy iray mpanao cash-point nody avy niasa no notafihin'ny Jiolahy roalahy mitondra basy teny an-dalana ka naka ny vola sy fitaovana teny aminy. Ny fokonolona manodidina nahare ny tranga no nampandre haingana ny Polisy avy ao amin’ny Unité d’Intervention Rapide (UIR). Tonga haingana tany an-toerana ireto farany ka voasambotra tao amin'ny Bazaribe ny iray tamin’ireo jiolahy ary notazonina natao famotorana avy hatrany. Mbola tratra teny aminy avokoa ny sasany tamin’ny entana sy ny vola very ary efa tafaverina amin'ny tompony. Nahatratrarana basy poleta sy bala ihany koa teny aminy nandritra ny fisamborana.
Pati
Légende : Ity ilay mpangalatra !
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

vaovao, manamboninahitra 14 niakatra galona

Card image cap
30-avril-2026

Nihena 4 indray ireo mpangarom-paosy

Card image cap
29-avril-2026

40 eo lasan’ny dahalo

Card image cap
29-avril-2026

nihampatra omaly maraina

Card image cap
29-avril-2026

Matin’ny zandary ao amin’ny zanatobim-paritra

Card image cap