airtel

Fandriampahalemana

02-févr-2023

Fandriampahalemana

Nifoha ny resaka “Puce”-n’omby Haparitaka amin’ny distrika 17

Sample post image

Nifoha indray ny resaka “puce” atao amin’ny omby, izay efa hatrany amin’ny propangadin’ny fifidianana 2018 no noresahina.

02-févr-2023

Ho fanatanterahana ny Veliranon'ny Filohan'ny Repoblika Andriamatoa Andry RAJOELINA laharana voalohany, mikasika ny «filaminana sy ny fandriam- pahalemana » dia nisy ny fametrahana ny fanara-hamaso ny omby tamin'ny alalan'ny « système d'identification électronique et géolocalisation des bovins » nahafahana nametraka «puce» tamin'ny omby, hoy ny tatitry ny filankevitry ny minisitra. Nambara anefa, fa nandritra ny andrana natao dia maro ny olana nosedraina ka nampanano-sarotra ny fanatanterahana tetikasa. Niasa nisoroka ireo olana rehetra hita nandritra ny andrana ireo ny teknisiana teo anivon'ny Minisitera misahana ny Fiompiana ka ankehitriny dia efa saika voavaha avokoa ny olana araka ny fanadihadiana sy fandalinana nataon'izy ireo tao anatin'ny fotoana lava. Taorian'ny fandinihana ny valin'izay fanadihadiana sy fandalinana izay dia nankatoavin'ny filan-kevitry ny Minisitra ny fanohizana indray ny tetikasa amin'ny taona 2023 ity, hoy ny serasera. Distrika 17 amin'ny faritra 7 izay tena ahitana omby maro be indrindra ka anjakan'ny tsy fisian'ny fandriam-pahalemana be indrindra ihany koa no hanaovana ny tetikasa fametrahana ny « puce » amin'ny omby hanamorana ny fanaraha-maso azy ireny. Ireto avy izy ireo: Faritra Amoron'i Mania: distrika Ambatofinandrahana. Faritra Sofia: distrika Analalava. Faritra Ihorombe: distrika Ihosy sy lakora. Faritra Anosy: distrika Amboasary. Faritra Atsimo Andrefana: distrika Toliara I, Toliara II, Beroroha, Sakaraha. Faritra Melaky: distrika Maintirano, Besalampy, Antsalova. Faritra Menabe: distrika Morondava, Mahabo, Manja ary Belo Tsiribihina. Ho tapitra ny fe-potoana hiasana vao tena raikitra izany? Efa maro ny omby ringan’ny dahalo vao tena hiasa ny “puce”? Mbola sangisangy zary tenany ny hoe: ilay omby hisy “puce” fa ny olona miandry azy ve manana kopian’ny sora-piankohonana sy manan-kohanina ohatra?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap