airtel

Fandriampahalemana

09-févr-2024

Olona 2 natao « kidnapping » any Tsaratanana

Mitaky 140 tapitrisa Ar ireo jiolahy, very hevitra ny fianakaviana

Sample post image

Nitrangana fakana an-keriny indray tany amin’ny Fokontany Ambolosy,

09-févr-2024

kaominina ambanivohitra Ambakireny, distrikan’i Tsaratanana ny Alahady alina lasa teo tokony ho tamin’ny 09 ora. Vehivavy roa samihafa saingy mpiray monina no lasibatra tamin’izany. Ho an’ilay Renim-pianakaviana iray vao 28 taona monja, manan-janaka mianadahy kely dia fantatra fa 60 tapitrisa Ar be izao no takian’ireo jiolahy amin’ny vady andefimandriny izay mitaraina sy manao antso avo fatratra ao amin’ny tambajotran-tserasera Facebook. 80 tapitrisa Ar kosa no takian’ireo jiolahy amin’ilay fianakaviana iray izay marihina fa samy tsy manan-katoraka avokoa. Mangataka ny Fitondram-panjakana mba hijery akaiky izao tranga izao moa ilay Raim-pianakaviana iray vadin’ilay Renim-pianakaviana vao 28 taona monja. Manahy mafy izy sao vonoin’ireo dahalo ny vadiny raha sanatria ka tsy hitany io lelavola io. Ny laharam-pinday 034 88 669 22 no hahazoana azy.
Pati
Legende: Ireto izy mivady !
 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Basy vita gasy iray niampy bala miisa 4 calibre 12, no sarona tao anaty kitapo natsipina lehilahy miisa 3 nitsoaka

Card image cap
07-févr-2025

Nahatrarana rongony 375 fototra sy raviny efa maina afak’omaly Alarobia 05 Febroary tamin’ny 08 ora

Card image cap
06-févr-2025

Velon-taraina ny mponina eny amin’ny fokontanin’Ambatobe manoloana ny vaky trano na hala-boty

Card image cap