airtel

Fandriampahalemana

19-nov-2025

Olona varira mipetraka

ao an-dakazerin'ny zandary

Sample post image

Nahazo trano fonenana vaovao

19-nov-2025

Nahazo trano fonenana vaovao ao an-dakazeran'ny Zandarimariam-pirenena ao Isoanala, distrikan'i Betroka ireo olona mañana toe-tena varira nipetraka tao hatramin'izay. Angady nananana ny foto-drafitrasa ny Fondation Dokotera Stefan. Am-polony mianadahy izy ireo no nisitraka izany ho fiarovana ny ainy amin'ireo mpangalatra voamaso. Tsiahivina moa fa heverin'ireo mpanao ratsy fa misy vatosoa ny mason'ireny olona mañana toe-tena varira ireny, antony tena hifofony ny ainy. Ny fondation Dokotera Stefan raha tsiahivina ia iray amin'ireo mpanao asa soa any amin'ny Faritra Atsimo. Izy no nanangana foto-drafitrasa maro tany amin'iny faritra iny ka anisan'ny nahazo tombontsoa betsaka tamin'izany ny kominin'Isoanala . Manao foto-drafitrasa toy ny famatsiana rano fisotro madio , lakilasy , fiahiana ara-tsosialy maro lafy ihany koa ny Fondation nandritra ny taona maro niasany tany amin'ity Disitrika iray ity.
Nangonin'i Pati
Légende : Ireo ankizy varira sy ilay trano vaovao !
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

vaovao, manamboninahitra 14 niakatra galona

Card image cap
30-avril-2026

Nihena 4 indray ireo mpangarom-paosy

Card image cap
29-avril-2026

40 eo lasan’ny dahalo

Card image cap
29-avril-2026

nihampatra omaly maraina

Card image cap
29-avril-2026

Matin’ny zandary ao amin’ny zanatobim-paritra

Card image cap