airtel

Fandriampahalemana

22-juin-2026

OLONA VOAENDAKA FINDAY

Mahatratra 15 isan'andro ireo manolo «puce »

Sample post image

Tena manao ny hataony ireo

22-juin-2026

mpanendaka sy mpangarom-paosy eto an-drenivohitra. Mivoaka toy ny olon-dehetra handeha hiasa ihany koa izy ireny amin'ny maraina ary tsy manaiky raha tsy mitondra herim-pon'olona mody hamelomany ireo vady aman-janany amin'ny hariva. Mangalatra findain'olona dia mivarotra izany aveo ary mamotika na manary ilay puce tao anatiny. Raha araka ny loharanom-baovao azo tamina ivon-toerana iray mpivarotra ireny karazana puce ireny dia miisa 15 raha kely ireo olona manao récupération na puce ao aminy isan'andro. Olona voaendaka avokoa ny ankamaroan'izy ireo ka ankoatra ireo lasibatra tany anaty fiara fitateram-bahoaka dia tsy vitsy ireo voasintona poketra teny ambony moto, voasaka paosy mihazakazaka manenjika taxibe amin'ny hariva.... Antso avo hatrany araka izany no hatao amin'ireo tompon'andraikitra mikasika ireo mpanendaka eto an-drenivohitra. Efa misy ivon-toerana fanatobian'izy ireo ireo finday halatra mihitsy mantsy raha araka ny loharanom-baovao azo. Dimy lahy izy ireo no mifanome tanana miara-miasa ka ny sasany mandeha mangalatra. Ny sasany mamaha ny code amin'ireo finday halatra, ny sasany manolo piece raha mivarotra kosa ny sasany izay efa tambajotra mahery vaika mihitsy.
Pati
Légende : Arovy mafy ny finday mba tsy ho very sy handaniana fotoana hanaovana recuperation na puce !
 

Dans la même rubrique

03-sept-2026

Mitotaly 16 tapitrisa Ariary no lasan’ireo olon-dratsy

Card image cap
03-sept-2026

Lasa ny 20 tapitrisa Ar sady naratra

Card image cap
02-sept-2026

Vita fitsirihana sy azon’ny fianankaviana nalaina ny razana

Card image cap
02-sept-2026

fiara nitondra rongony ! »

Card image cap
02-sept-2026

nalaina an-keriny, hita faty

Card image cap