airtel

Fandriampahalemana

12-avril-2023

Fandriampahalemana

Raharaham-pifidianana, tany tsy milamina,…

Sample post image

Nivory ireo Lehiben’ny mpitandro filaminana

12-avril-2023

Nivory teny amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ireo minisitra 3 eo anivon'ny governemanta misahana ny fiarovana sy ny fandriampahalemana omaly 11 aprily 2023, nahitana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena ny Jeneraly Rakotoarijaona Josoa, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police Randraianarison Fanomezantsoa ary ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny Firovam-pirenena miadidy ny Zandarimaria, ny Jeneraly Gellé Serge. Nambara fa antony ny fanamafisana ireo ezaka efa natao amin'ny fitandroana ny filaminana sy ny fandriampahalemana eto amin'ny firenena. Mifanindran-dàlana amin’izany ny fandrindrana ireo hetsika ataon'ny herim-piarovana sy fandriampahalemana ( FDS) eny an-kianja mba hanatrarana ireo tanjona napetraka ka anatin’izany ny fampitovizana ny tadin-dokanga ahafahana mahita vokatra tsara hatrany sy ho fanehoana ny firaisan-kina misy eo amin’ny mpitandro filaminana, hoy hatrany ny tatitra. Mandrafitra io FDS io moa ireo hery miisa telo misahana ny fitandroana ny filaminana dia ny tafika, ny zandarimariam-pirenena ary ny Polisim-pirenena. Nandritra io no nanamafisan’ny Minisitry ny fiarovam-pirenena, fa natao hampandry fahalemana ny tany Repoblikan’i Madagasikara indrindra amin'izao taom-pifidianana izao izy ireo. Araka izany, nambara fa misy ny fifanomezan-tanana izay ataon’ireo vondron-kery telo tonta ireo, tafiditra ao anatin’izany ny fiarahana misalahy sy fifanomezan-tanana ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Nolazaina fa efa misy koa ireo paikady napetraka manoloana ny tranga tsy fandriampahalemana ankehitriny. Nambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena fa efa miparitaka manerana ny Nosy ireo vondro-kery telo ireo hanatanteraka izany ahafahan’ny vahoaka Malagasy rehetra mihaina anaty filaminana sy fandriampahalemana tanteraka. Ankoatra ireo Mpikamban’ny governemanta, niatrika io fotoana io ny Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Délphin, ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena, Rakotondrazaka Andry, ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena, ny “Contrôleur Général de Police” Rakotozanany Dany Marius ary ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Minisitera. Manome toky aloha izany ireo tompon’andraikitra ambony amin’ny resaka fitandroana ny filaminana, fa efa mipetraka ny paikady. Ny zava-misy saka manerana ny Nosy dia tsy milamina ny tany na an-tsaha na an-tanàna, vono olona etsy, fanafihana sy fandrobana aroa,… Tsy tahaka izay ny any amin’ny fanakanana ireo mpanao politika, ary toa sokajiana ho fanakorontanana sy fanonganam-panjakana avokoa na mandeha fiara tahaka ny olon-drehetra eny amin’ny làlam-pirenena aza. Hitsimbadika ve izany sary ratsy izany ato ho ato?
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Mpivady nandritry ny 8 volana, niray trano saingy tsy vita sora-panambadiana no nifanaiky fa nifamitaka. T

Card image cap