airtel

Fandriampahalemana

29-oct-2025

RANON'IKOPA

Nahitàna loham-behivavy tsy nisy vatany

Sample post image

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tetsy

29-oct-2025

amin'ny Ranon'Ikopa akaikin'ny Le Hintsy Ambohimanambola omaly Talata 28 Oktobra. Loham-behivavy iray efa tsy nisy vatany intsony mantsy no nisy nahita teny an-toerana tokony ho tamin'ny 02 ora folakandro. Fantatra tamin'izany fa vao tamin'ny Sabotsy 25 Oktobra lasa teo no nahitana fem-behivavy iray ihany koa teny amin'ity renirano ity, tsy lavitry ny Barrage-n'i Mandroseza. Lasa matahotra sy feno ahiahy ireo mponina eny an-toerana noho izany. Tsy fantatra intsony mantsy na ireo mpamono olona mihitsy no efa mihatrana eny an-toerana na koa olona efa avy novonoina any amin'ny toerana tsy fantatra no hariana eny an-toerana. Andrasana araka izany ny tohin'ny fanadihadiana hataon'ny mpitandro ny filaminana.
Nangonin'i Pati
Légende : Feno olona tahaka izao tety nijery ny zava-misy !
 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Taorian'ireo 16 tany Toliara izay

Card image cap
07-août-2026

an’ny andrimasom-pokonolona

Card image cap
07-août-2026

Jiolahy miisa 4 mandeha moto no nanafika

Card image cap