Amparafaravola omaly raha miisa 2 ireo azo sambo-belona. Naka vehivavy iray antsoina hoe : Olivia izy ireo roa volana lasa izay, tranga niseho tany Sahamamy Amparafaravola, Faritra Alaotra Mangoro. Efa namoy ny ainy notifirin’ireo jiolahy ireo ny vadiny tamin’ny datin’ny 23 Jona ka avy hatrany dia noentiny Rtoa Olivia rehefa vitany ny asa ratsiny. Ankoatra io vehivavy io dia nisy vehivavy iray antsoina hoe : Béatrice ihany koa natao takalon’aina tahaka azy. Notifirin'ireo jiolahy anefa Ramatoa Béatrice, nandritra ny fotoana nitazonana azy mirahavavy tany Ambolosy Amparafaravola. Mbola nanam-bitana anefa Rtoa Olivia ka avotry ny zandary, afak’omaly alina, tao Morarano Ambatondrazaka. Basy nirefodrefotra moa nandritra ny fifandonan’ny roa tonta ka nandritra izany no nahalavo ireo tsy mataho-tody miisa telo ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Rtoa Olivia sy ny zandary, polisy ary miaramila nanavotra azy !
Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy
Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey
Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy