airtel

Fandriampahalemana

16-déc-2025

Saika hanafika teny Ambatomaro

Jiolohy 4 indray maty voatifitra

Sample post image

Jiolahy rain-dahiny amin'ny asa

16-déc-2025

fanafihana no maty voatifitra teny Ambatomaro. Raha tsiahivina kely ny tantara dia tamin’ny 7 ora sy sasany hariva no nitrangan'ny raharaha afak'omaly Alahady 14 Desambra. Taorian’ny fahazoana loharanom-baovao avy amin’olona tsara sitrapo dia niditra an-tsehatra avy hatrany ireo Polisy avy ao amin’ny Unité Spéciale d’Intervention (USI) na ny « Saka mainty » nanao fitsirihana sy fisafoana teny amin’io faritra io. Rehefa tonga teny an-toerana ny Polisy dia nifanehitra tokoa tamina andian-jiolahy. Vantany vao nahatazana ireo Polisy avy lavitra ireo jiolahy dia nandositra avy hatrany no sady nitifitra. Niaro tena ny Polisy ka jiolahy miisa efatra no maty nandritra ny fifandonana. Fantatra kosa fa nisy jiolahy tafaporitsaka ka mbola karohina. Nahitàna basy poleta vita gasy iray niaraka tamin’ny bala miisa roa ary antsy miisa roa teny amin’ireo jiolahy. Tamin’ny alalan’ny fanomezam-baovao haingana avy amin’olona tsara sitrapo no nahafahana nahazo ity vokatra ity koa manentana hatrany ny mpiray Tanindrazana tsy hisalasala hitoroka ireo mpanao ratsy anaty fiarahamonina ny Polisy.
Pati
Légende : Santionany tamin'ireo fitaovana tratra !
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

vaovao, manamboninahitra 14 niakatra galona

Card image cap
30-avril-2026

Nihena 4 indray ireo mpangarom-paosy

Card image cap
29-avril-2026

40 eo lasan’ny dahalo

Card image cap
29-avril-2026

nihampatra omaly maraina

Card image cap
29-avril-2026

Matin’ny zandary ao amin’ny zanatobim-paritra

Card image cap