airtel

Fandriampahalemana

16-mars-2026

Saika hanendaka polisy

Jiolahy iray maty voatifitra teny 67Ha

Sample post image

67HA PARKING BAR MENA

16-mars-2026

Ela nitoratohana ka nahavoa voamason’angatra no niafaran’ity mpanendaka iray ity, tetsy 67ha omaly Alahady 15 Martsa maraina. Betsaka ny fitarainana azo na eny amin’ny kaomisaria na fanairana eto amin’ny tambajotran-tserasera Facebook. Nanao hetsika manokana ny Polisim-pirenena avy ao amin'ny Compagnie Urbaine d’Intervention (CUI) sy ny Unité d’Intervention Rapide (UIR), nanao fisafoana manao fanamiana sivily teny amin’ny manodidina ny parking "Bar Mena", ary nisy tamin’izy ireo nanao toy ireo olona miandry taxi maraina, mba hahafantarana ireo mpanendaka mivezivezy amin’io faritra io sy hahafahana misambotra azy. Nisy lehilahy telo nanatona ilay Polisy ary nandrahona avy hatrany mba hanome izay misy any aminy. Nanambara ny maha-Polisy azy izy ary nandidy azy ireo tsy hihetsika. Saingy ny iray tamin’ireo jiolahy namoaka antsy handeha hamely azy. Tsy maintsy niaro tena ilay Polisy no sady niditra an-tsehatra avy hatrany koa ireo namany teo akaiky teo mba hahafahana manakana izany herisetra izany. Maty vokatry ny ratra mafy nahazo azy tamin’ny tifitra ity jiolahy iray ity ary nifanenjehana ireo namany saingy tafaporitsaka tany anaty elakelan-trano. Mijoro hatrany ny Polisimpirenena miaro ny vahoaka sy manamafy ny fisafoana amin’ireny toerana « mahamay » ireny. Tsara ihany anefa ny mailo, sorohana ny fandehanana amin’ny toerana malaza ratsy fa famelezan-dry zalahy. Ny Polisy kosa dia tsy hamela ireo mpanao ratsy hanjakazaka fa mikaroka ny hevitra hahafahana misambotra ireo mpanao izany mba hizakàny ny saziny.
Pati Légende : Nihena iray ireo jiolahy mpamono olona eto an-drenivohitra !

 

Dans la même rubrique