Fianakaviana iray tonga tamin’ny sidina Emirates no niatrika olana rehefa nisy mpibata entana tsy ara-dalàna roalahy nisisika hibata ny entany ny 16 aogositra 2026. Na dia nandà mafy aza ireo ankohonana dia narahin’izy ireo fandrahonana sy fitakiana vola. Rehefa tonga tany an-trano, hita fa tsy tao intsony ny sakaosy fitondra an-tànana iray. Nitory avy hatrany teo anivon’ny Brigade Aéroport Ivato ireo niharan’ny halatra. Nampiasaina ny raki-tsary sy ny fahitalavitra mba hamantarana ny endrika sy ny fivezivezen’ireo mpibata entana tsy manara-dalàna. Ny 02 Septambra 2026, nipoitra indray ny iray tamin’izy ireo, niomana hanao asa ratsy vaovao. Ny haraton’ny zandary no nandrakotra azy ka voasambotra tsy afa-nihetsika intsony. Natao famotorana izy ary natolotra ny fitsarana noho ny heloka roa sosona: fanaovana asa fitaoman’entana tsy ara-dalàna anaty seranam-piaramanidina sy halatra entana. Notanana am-ponja miandry fitsarana izy, raha mbola karohina kosa ny namany iray. Nomarihina sy namafisina fa toerana saro-pady ny seranam-piaramanidina Ivato, hentitra ny fitsipika mifehy ny asa fitaterana entana sy ny fiarovana ny mpandeha. Ireo mpiasa mpitondra entana ara-dalàna misalotra fanamiana manga ihany no mahazo mitondra entana miditra sy mivoaka ny seranana. Manentana ny vahoaka ny Groupement Analamanga sy ny Compagnie Aéroport Ivato mba tsy hisalasala mitoroka sy mampandre ny zandary miasa ao amin’ny seranam-piaramanidina raha mahita tranga mampiahiahy na tsy ara-dalàna.
Toky R