drone» na voangorivy notanterahin’ny «2e RPIMA» atsy La Réunion teny Arivonimamo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo miaramila malagasy avy amin’ny tafika an-tanety, tafika an-dranomasina ary tafika ana habakabaka ny fiaraha-miasa, raha ny fanazavana. Nanolotra voangorivy ho an’ny tafika malagasy ny tafika frantsay omaly. Ireo fitaovana ireo dia hanampy amin’ny fitsirihana sy fanaraha-maso ary hanamora ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, indrindra, amin’ny ady amin’ny dahalo, raha ny fanazavana hatrany. Mitohy, araka izany, hoy ny fanamafisana voaray, ny fiaraha-miasa eo amin’ny tafika malagasy sy frantsay.
Nangonin’i J. Mirija
Lehilahy iray 75 taona no voasambotry