airtel

Fandriampahalemana

12-févr-2025

TAMBAJOTRAN-JIOLAHY

11 mianadahy tratra teto Antananarivo

Sample post image

Ravan’ny Polisim-pirenena ny andian-jiolahy nandravarava teto an-drenivohitra sy ny

12-févr-2025

manodidina nandritra ny volana Janoary lasa teo. Lehilahy miisa 9 sy vehivavy miisa 2 izy ireo, nandray anjara tamin’ireo fanafihana mitam-piadiana niseho teny Alasora, Analakely, Ampasamadinika sy tamin’ny toerana hafa teto an-drenivohitra. Tratra nandritra ny fisamborana azy ireo ny moto miisa 4 miaraka amin’ny aro loha sy fanamiana fanaovan’izy ireo rehefa manao ny asa fanafihana niampy lela-vola manodidina ny 3 tapitrisa Ar, basy vita gasy iray niaraka tamin’ny bala, ary ody gasy. Fantatra ihany koa fa misy mpitondra taxi moto miray tsikombakomba amin'ireto andian-jiolahy ireto. Mbola misy naman'izy ireo hafa karohina noho izany.
Pati
Legende : Ireto izy 11 mianadahy !

 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny

Card image cap
21-mai-2025

Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

Card image cap
20-mai-2025

Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very

Card image cap
20-mai-2025

Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,

Card image cap
20-mai-2025

Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,

Card image cap